Vavaka atosiky ny fitiavan-tena

Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Vavaka atosiky ny fitiavan-tena
"Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy"
Nanao fangatahana manokana tsy teo anatrehan'ny mpianatra sasany Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio ireto, niaraka tamin'ny reniny. Niankohoka, izany hoe, nadohalika izy ireo nanao izany fangatahana izany. Resen'ny olona lahatra amin'ny endrika ivelany Jesoa mba hamaliany vavaka. "Mpianatrao izahay, efa roa na telo izahay, mandohalika izahay, hanao akanjo fotsy daholo isika hivavaka ho an'ny firenena, hiara manandra-tanana isika ..." Tsy mainona izany saingy "ny fonareo no triatriaro" (Joela 2:13) fa tsy ny fitafiana ivelany
Vavaka:
Mba tsy amin'ny endrika ivelany fotsiny no hivavahanay Aminao fa amin'ny fo manaiky sy mankato Anao. Amen
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 9 juin 2026
Mombamomba
9 juin 2026
121 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman