Vavolombelon'i Kristy, mahataona mpanota maro hibebaka
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Vavolombelon'i Kristy, mahataona mpanota maro hibebaka
""Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany""
Nilatsaka tamin'ny mpianatra ny Fanahy Masina rehefa avy nivavaka nandritra ny folo andro izy ireo. Rehefa nitoriteny Petera dia nisy olona telo arivo nibebaka sy natao batisa tamin'iny Pentekosta iny.
Tsy miova na nihakely hery io Fanahy io anakehitriny fa rehefa sahy nijoro ho vavolombelon'i Kristy ianao dia mahataona mpanota hibebaka ny asanao sy ny fitondrantenanao.
Marina amin'ny fiainanao ve ilay fanekena hoe : "Voavela ny heoloko ary azoko ny famonjena"? Dia hanao inona ety ianao? Aoka ho fenoina ny Fanahy dia zarao amin'ny hafa koa ny famonjena.
Mombamomba
8 juin 2025
3 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor