Very zanaka Andriamanitra, valio ny antsony

Very zanaka Andriamanitra, valio ny antsony
""Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?""
Vaovao mahafaly izany! Amin'ny fiandohan'ny taona izao, mitady anao Andriamanitra ka miantso hoe : "Aiza moa ianao?"
Very zanaka Andriamanitra, tafasaraka taminy Adama sy Eva satria nanota; ny teny marina nambara tamin'izy ireo dia noheveriny fa lainga, ny teny fitaka nanangolen'ny devoly azy no narahiny, niforona ny efitra nampisaraka. Mandrak'androany ny mbola tohizan'ny olombelona izay nataon'i Adama sy Eva, izay tiany atao ihany no ataony, tsy misy idiran' Andriamanitra ny fiainany.
Mampalahelo ny fahaverezan'ny olombelona, maro aza no mahita fahafinaretana any amin'ny filibàna sy ny fiaraha-mihosina amin'ny biby tahaka ilay zanaka adala. Ny vaovao mahafaly dia ny fitiavan' Andriamanitra antsika, na dia niery aza Adama dia mbola nantsoinyhoe : "Aiza moa ianao?"
4 janvier 2026
6 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor