Vitan'ny Fanahy Masina ao anatinao ny sitrapon' Andriamanitra tsy tanterakao fahiny

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Vitan'ny Fanahy Masina ao anatinao ny sitrapon' Andriamanitra tsy tanterakao fahiny
"Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy"
Rehefa omenao alalana hanapaka ny fiainanao ny Fanahy Masina dia mameno anao manontolo tahaka izay nataony tamin'ny fiangonana voalohany tamin'ny Pentekosta. Ny fanarahana ny lalan' Andriamanitra sy fitandremana ny fitsipiny tsy vitanao fahiny dia tanterakao ankehitriny. Tsy noho ny herinao fa ny Fanahy mahery miasa ao anatinao no manatanteraka izany. Mahazo hery ianao ary ny fiainanao manontolo dia fijoroana ho vavolombelona.
Vavaka:
Misaotra Anao Fanahy Masina fa Ianao no mahatonga anay mahatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra
Mombamomba
24 mai 2026
87 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman