Vitao tsara ary vitao haingana izay nanirahan'ny Tompo anao ety

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Vitao tsara ary vitao haingana izay nanirahan'ny Tompo anao ety
""mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta...""
Manantintrantitra antsika ny Tompo fa vahiny sy mpihaviny ihany isika ety, tahaka ny zanak'Israely nitoetra tao amin'ny trano ratsan-kazo na trano lay. Trano tsy itoerana ela, vetivety dia rava. Any an-danitra Andriamanitra manamboatra ho antsika trano tsy nataon-tanana maharitra mandrakizay. Vitao tsara ary vitao haingana izay nanirahan'ny Tompo anao ety, fantatrao ve ny anton'ny fahavelomanao? Aoka ho mavesa-danja aminao ny vavaka hoe : "Mampianara anay hanisa ny andronay hahazoanay fo hendry" - Salamo 90:12
Mombamomba
2 octobre 2025
10 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor