Kristy fiainantsika

Voajanahary tokoa ve ny loza?


Voajanahary tokoa ve ny loza?
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Voajanahary tokoa ve ny loza?

""... dia voaozona ny tany noho izay nataonao ...""

Vaovao mampalahelo izany! Niantraika tamin'ny tany onenantsika, amin'ny rano sy ny ranomasina ary ny zava-boahary rehetra ny vokatry ny fahotana ataontsika olombelona nanomboka tamin'i Adama sy Eva.

Marary ny tany. Hoy ny fomba filazantsika : "loza voajanahary". Dia Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany tokoa ve no nahazy loza? Aza atolaka any amin' Andriamanitra ny tsiny. Manan-tsiny, diso, nanohitra an' Andriamanitra isika. Soa ihany fa noraisin'i Jesoa ho Azy ny tsiny ka novonoina teo amin'ny hazo fijaliana Izy noho ny fitiavany antsika. "Tongava voaozona hamonjy antsika Izy" - Galatiana 3:13. Afa-doza izay manaiky Azy.

🤲 Vavaka :

Mba hizara fitahiana sy fanasitranana tahaka anao Jesoa anie izay nanaiky ny famonjenao


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

12 mars 2026

9 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro