Vokiso tenin' Andriamanitra ny fo sy sainao dia hampahatsiahy izany amin'ny fotoana mety ny Fanahy Masina

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Vokiso tenin' Andriamanitra ny fo sy sainao dia hampahatsiahy izany amin'ny fotoana mety ny Fanahy Masina
""fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo""
Aiza indray no misy tahaka izany? Tsy olombelona voafetra no mpanolotsaina anao fa ny Fanahy Masina. Mpampahatsiahy koa no anarany. Nisy tenin' Andriamanitra marobe efa norenesinao, mbola vokiso izany hatrany ny saina sy ny fonao. Hampahatsiahy ireny amin'ny fotoana ilànao izany Izy na amin'ny fahoriana na miatrika olana na manoloana fakam-panahy sy safidy tsy maintsy raisina. Henoy ary ankatoavy mandrakariva Izy.
Mombamomba
29 mai 2025
13 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor