Vonona amin'ny fiandrasana ny Tompo

Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana
Vonona amin'ny fiandrasana ny Tompo
""Aoka ho vonona lalandava ka ny lambanareo sikino ary ny jironareo areheto""
Ny tena fiandrasana ny Tompo dia ny tsy fiandrasana Azy. Tsy tahaka ireo olona ao amin'ny efitrano fiandrasana, tsy manao na inona na inona na matory am-pitoerana.
Izay vonona amin'ny fihavian'ny Tompo dia tahaka ireo manao fanamiana ao am-piasana sy tahaka ireo miasa alina, tsy maty jiro, miasa mafy sy miari-tory.
Inona no mahavariana anao? Inona no isasaranao sy andanianao fotoana ety an-tany ety? Mihary harena ety an-tany tsy azo hoentina any amin'ny mandrakizay ve ianao sa mihary harena any an-danitra?
Mombamomba
25 juin 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor