Zanak' Andriamanitra ianao hoy ny Fanahy Masina ao anatinao

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Zanak' Andriamanitra ianao hoy ny Fanahy Masina ao anatinao
"Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika."
Ahoana no ahafantaranao fa ao anatinao ny Fanahy Masina? Miteny aminao Izy, mananatra, mampianatra, mampionona ary mitari-dalana. Ianao irery no mandre Azy miresaka manokana aminao. Rehefa avy mibebaka sy manolo-tena ianao dia renao Izy manome antoka anao fa voavela ny helokao ary manantitrantitra fa zanak' Andriamanitra ianao. Ianao koa, miresaha Aminy, ataovy izay hahatamana Azy ao anatinao dia lasa mpisakaiza ianareo.
Vavaka:
Velona ato anatinay Ianao Fanahy Masina, ambarao aminay mandrakariva ny hasarobidin'ny maha zanak' Andriamanitra anao. Amen
Mombamomba
9 mai 2026
50 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman