Kristy fiainantsika

Zanak'Andriamanitra ve ianao? Ny voninahitra an-tsobika aza atao am-patam-bary


Zanak'Andriamanitra ve ianao? Ny voninahitra an-tsobika aza atao am-patam-bary
Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino

Zanak'Andriamanitra ve ianao? Ny voninahitra an-tsobika aza atao am-patam-bary

""Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra""

Ny olona mino dia manana fifandraisana lalina sy manokana amin' Andriamanitra. "... ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo" - Jaona 15:15. Koa aza mitondra tena tahaka ny olona mahantra na mpangataka na mpanompo, Zanak'Andriamanitra ianao, "anao avokoa izay rehetra ananako" hoy Andriamanitra (Lioka 15:31). Raha inoanao izany, tokony hanao ahoana ny hafanan'ny fitiavanao an'Andriamanitra, misy fetrany ve ny fankatoavanao Azy? Ny voninahitra an-tsobika aza atao am-patam-bary!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

6 septembre 2025

6 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro