Zanak'Iza moa ianao?

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Zanak'Iza moa ianao?
""Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon 'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! ...""
Gaga sy talanjona Jaona nanambara ny havesadanjan'izany maha zanak' Andriamanitra izany. Lehibe dia lehibe ny fitiavan' Andriamanitra antsika.
Zanak'Iza moa ianao? Raha nateraka indray ianao, naterak' Andriamanitra dia tonga Zanak' Andriamanitra. Tsy zanaky ny manam-pahefana ety an-tany na zanaky ny filoham-pirenena fa zanaky ny Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka.
Raha fantatrao izany dia ho gaga sy talanjona isan'andro ary faly amin'izany maha ianao anao izany. Misaora ny Tompo.
Mombamomba
28 juillet 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor