Kristy fiainantsika

Zaranao aza manana dokotera mitsabo maimaim-poana


Zaranao aza manana dokotera mitsabo maimaim-poana
Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina

Zaranao aza manana dokotera mitsabo maimaim-poana

"... Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary"

Mahamenatra angaha ny miaiky hoe marary? Raha ara-nofo, mety misy angamba tsy marary mihitsy; fa samy manana ny aretina mitaiza azy avokoa ny tsirairay ary ivezivezena any amin'ny dokotera. Fa ny ara-panahy, momba ny fifandraisana amin' Andriamanitra, iza no tsy misy kianina? Mitovy amin'ny Fariseo mpihataravelatsihy izay toy izany. Samy manana ny tsy fahatanterahantsika avy isika rehetra. Andeha hangatahantsika fanitsiana sy fanamboarana ary fanasitranana avy amin'i Jesoa izany. Izay miala amin'ny ratsy fanaony no tena olon' Andriamanitra.

Vavaka:

Ampianaro hanana fanatre-tena ny kristiana hitsotra sy hiaiky ny fahotany Aminao. Amen


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

5 mai 2026

55 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro