Kristy fiainantsika
Platfôrma Kristy fiainantsika

Finaritra,
Mianara
ary mitomboa.

Tonga Kristy Jesoa mba hanananao fiainana, fiainana be dia be

Jaona 10:10 MG1865

"Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo"

KOLOSIANA 3:4 MG1865
Kristy Fiainantsika Hero
Fampitaovana ny vahoakan' Andriamanitra mba hahatonga azy ireo hanana an'i Kristy ho fiainany.

Ny endriky ny iraka tanterahinay :

Fanompoam-pivavahana mivantana

Fotoambavaka mivantana, isaky ny alakamisy amin'ny 08 ora alina (ora Madagasikara), live Zoom. Tongava hifampahery.

📅 Culte manaraka📁 Enregistrements
Fandaharana amin'ny ojam-peo

Fanompoam-pivavahana isaky ny Sabotsy maraina amin'ny 04h45, ary ny alahady amin'ny 10 ora maraina ao amin'ny RVM 108 FM.

Kristy fiainantsika isan'andro

''Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be'' (Jaona 10:10b), ho fiainantsika isan'andro tokoa anie Kristy

Fo ho an'ny ankizy

Misy ankizy maro avy amin'ny ankohonana latsaka an-katerena; eny amoron-dalana, mangataka, mitsindroka eny amin'ny fako ...

Fampiorenam-pinoana

Lahatsoratra fandalinana ny tenin'Andriamanitra sy fampianarana samihafa ho fampiorenana ny finoana.

Fitoriana filazantsara

Fitoriana ny Filazantsara amin'ny faritra mitokana sy saro-dalana eto Madagasikara

Samy te ho lohany! ady seza
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Samy te ho lohany! ady seza

"Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy"

Inona koa no tokony hahatezitra azy folo lahy tamin'ny resaka manokana nataon'izy telo mianaka tamin'i Jesoa? Inona koa no hidirany amin'izay tsimbaratelon'olona manokana?

Raha sanatria neken'i Jesoa ny hipetrahan'izy roalahy eo an-kavanana sy eo an-kavian'i Jesoa eo amin'ny fanjakany dia inoana fa raikitra ny gidragidra. Hay samy mitovy ihany ny miafina tao am-pon'izy 12 lahy saingy Jakoba sy Jaona no sahy nagataka. Samy te ho lohany, te ho ambony, te ho lehibe. Izany foana no mahatonga io ady seza eo amin'ny mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana sasany.

Vavaka:

Sitrano ny aretin'ny fitiavam-boninahitra, fitaivan-tena ny malagasy. Amen

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 11 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

11 juin 2026

7 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Manahafa an'i Abrahama tia an'Andriamanitra tsy misy fepetra
OFFERT
Mifampahery ao amin'ny Tompo
Manahafa an'i Abrahama tia an'Andriamanitra tsy misy fepetra

Fotoambavaka#133

Tia an'Andriamanitra tamin'ny fony, ny sainy ary ny fanahiny i Abrahama ary noporofoiny izany tamin'ny nandaozany ny tanin-drainy ho amin'ny tany izay mbola tsy fantany noho ny antson'Andriamanitra.

Hamaky ny tohiny
HIJERY NY LAHATSORATRA REHETRA